Notokanana ny 22 jolay teo ny fotodrafitrasa mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro any amin’ny kaominina Antsenavolo, distrika Mananjary, faritra Vatovavy. Nahatanteraka azy ny tetikasa “WeLight”, izay tanàna faha-55 nametrahana herinaratra avy amin’ny masoandro eto amin’ny Nosy.
Vao nahazo famatsiam-bola mitentina 19 tapitrsia euros avy amin’ny Banky eoropeanina ho an’ny fampiasam-bola (BEI) sy ny “Triodos Investment Management” ary ny “EDFI ElectriFI” ny WeLight, tamin’ny herinandro lasa teo. Tanjona ny hamatsiana herinaratra avy amin’ny masoandro tanàna miisa 118 any amin’ny faritra 14 eto amintsika. Miisa 400 000 ny olona hisitraka azy, ahitana tokantrano sy orinasa mitotaly 70 000.
Nilaza ny tale jeneralin’ny WeLight, Romain de Villeneuve, fa tanjona ny hahazoan’ny faritra lavi-toerana herinaratra tsara kalitao tsy tapaka mandrira ny andro manontolo. Hitondra fampandrosoana maharitra amin’ny lafiny toekarena sy sosialy izany.
Njaka A.