Voasambotra ireo telo lahy mpanapaka sady mpangalatra hazo ao anatin’ny faritra arovana Angavokely Manjakandriana, ny faran’ny herinandro teo. Saron’ny zandary tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ireo tsara sitrapo, nahitana hazo miisa valo teny amin’izy telo lahy. Efa anaty fiara ny dimy raha toa ka sarona tany an-tranon’ireo olon-dratsy ny telo.
Naratra mafy noleran’ny anadahiny antsy ny ramatoa iray 61 taona tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ampasina Maningory, faritra Analanjirofo, afakomaly. Tsy nifanara-tsaina tamin’io anadahiny io, raikitra ny fifamaliana sy ny teny mahery ka niafara tamin’ny faharatrana. Nentin’ireo nanatri-maso namonjy hopitaly ilay ramatoa naratra mafy.
Nanaraka fitsaboana ao Sakaraha ilay Pasitera voatifitry ny dahalo efa-dahy teny an-dalana hody, ny faran’ny herinandro teo. Avy nanao asa fanompoana izy no nifanehitra tampoka tamin’ny efa-dahy nitam-basy. Voaroba avokoa ny finday, ny vola, hatramin’ny kitapo.
« Vigie de Police » miisa 13 notokanana tao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Hisorohana ny asan-jiolahy sy hanamafisana ny fandriampahalemana eny ifotony ireto fotodrafitrasa vaovao ireto. Misitraka avy hatrany ireo toerana ireo, arak’izany, ny polisy miasa eny anivon’ny fokontany.