« Angovo » sy « Talakibe » : tetikasa hampiasana 366 miliara Ar

Kaominina ambanivohitra sy fokontany 130 misy mponina 175 000 no hisitraka ny tetikasa «Angovo”. Hiompana amin’ny fampidirana herinaratra eny amin’ny tontolo ambanivohitra ny tetikasa ary hiasa any amin’ny faritra Melaky, Menabe, Androy, Atsimo Andrefana, Anosy. Namatsy vola ho fanatanterahana izany ny «Agence française de développement» (AFD) sy ny Vondrona eoropeanina (UE) ka hiara-kisalahy amin’ny fanjakana malagasy. Fampindramam-bola ny 22 tapitrisa Euros raha fanampiana kosa ny 8 950 000 Euros. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa ny fanamafisam-pahalalana sy fahaiza-manao ary ny fanampiana ara-teknika ho an’ny masoivoho fampiroboroboana ny herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra (ADER). Ankoatra izay, tetikasa hoentina hanatsarana ny fambolena sy ny fiompiana amina kaominina 25 ao amin’ny faritra Anosy ny “Talakibe”.
Ny alatsinainy teo, niara-nanao sonia ity fifanarahana ity ny governemanta malagasy sy ny governemanta frantsay. Nisolo tena ny fitondram-panjakana ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, ny minisitry ny Angovo sy ny akoran’afo ary ny minisitra lefitra misahana ny Fiompiana.

Henintsoa H.

Partager sur: