Bakalorea : ampy ny isan’ny mpitsara

Nanomboka omaly ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny bakalorea 2023 teto Antananarivo rehefa vita ny fivoriana nametrahana ny lamina samihafa niarahan’ny mpitsara sy ny “président de jury”. Ampy ny isan’ny mpitsara hisahana ny asa, araka ny nambaran’ny mpitsara iray ao amin’ny taranja Sciences économiques et sociales (SES), ary nizotra tamim-pilaminana ny asa. Efa nampanantenaina rahateo izy ireo fa hisitraka ny karama raha vao vita ny asa rehetra ho an’ity bakalorea ity. Momba ny naoty nomena ny mpiadina ho an’ny tapany maraina, tsy vitsy no nahafehy ny zavatra nangatahana taminy, nisy koa ireo tena sahirana ka nahazo naoty ambany, hoy ny fanazavany.
Teo amin’ireo taranja nisy olana nandritra ny fiatrehan’ny mpiadina azy no nilana toromarika momba ny “bonus” satria mety hampidangana be ilay naoty izany raha ambony ny lanjan’isa,“coefficient”. Tsy maintsy lanjalanjaina avokoa ireo. Samy nisehoana tsy fahatomombanana avokoa na teo amin’ny fampianarana ankapobeny na ny sampana teknika nandritra ny bakalorea izay hisy fiantraikany amin’ny naotin’ny tsirairay. Be loatra ny tandrevaka tamin’ny fanomanana ary nizaka ny vokany ny mpiadina.

Vonjy A.

Partager sur: