“Coupe de la Confédération, CAF” : hidona amin’ny Gaborone United Botswana ny Elgeco Plus

Notontosaina, omaly, tany Le Caire Egypte, ny antsapaka ho an’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika “Coupe de la Confédération de la CAF 2023 (CCAF)”, taranja baolina kitra. Araka izany, ny Gabo­rone United Sporting Club Botswana no mpifanandrina amin’ny Elgeco Plus Mada­gasikara amin’ity fifaninanana ity.
Ny 18 na 19 na 20 aogositra ho avy izao no hanaovana ny dingana mandroso any Botswana, ary ny 25 na 26 na 27 aogositra ny miverina, izay hatao eto an-toerana.
Mitana ny laharana faharoa amin’ny fifaninanam-pirenena ao Botswana, “Premier League 2023” ny Gaborone United Sporting Club. Ani­san’ireo mpilalao kalaza ao i Mothusi Cooper sy i Tha­tayaone Kgamanyane. 23 taona ny mpilalao tanora indrindra ao aminy raha toa ka 53 taona ny zokiny indrindra.
Ho an’ny ekipan’ny Elgeco Plus, manana mpilalao sangany maro, toa an-dry Nina, Datsiry, Onja, Doddy ity klioba ity. Tsara ny mampahafantatra fa efa nandrafitra ny Barea izy ireo.
Tsara marihina fa izay tafavoaka mpandresy amin’ny roa tonta, hihaona amin’ny Supersport United Afrika Atsimo, eo amin’ny fihodinana faharoa. Ny 15 na 16 na 17 septambra ny lalao mandroso amin’izany, raha toa ka ny 29 na 30 septambra na 01 oktobra ny miverina. Marihina fa klioba 52 avy amin’ny federasiona 41 no mandray anjara amin’ny CCAF.

Fitia

Partager sur: