Tsy nofy intsony fa tena hotanterahina ny fanamboaran-dalana any amin’ny distrikan’Andramasina. Efa vonona ny fitaovana rehetra. Mirefy 80 km ny lalana amboarina.
Ela ny ela, hamboarina tanteraka ny lalana mampitohy an’Ambatofotsy hatrany Ambohimiadana. Horaisin’ny faritra Analamanga ny fanamboarana. Manodidina ny 80 km ny lalana hamboarina izay ezahina hovitaina ao anatin’ny roa volana, raha ny vinavina napetraka ety am-piandohana.
Nanampy betsaka amin’ny fanodinana ireo fitaovana vaventy sy ny kamiao ny fikambanan’ny mpitatitra mivelona amin’iny lalana iny, izay tarihin’ny filohany Vonjy. Niantoka ny solika ahafahan’ireo fitaovana miasa izy ireo.
Mahatsiaro ho mpisitraka feno ary hahazo tombony betsaka amin’ny fahavitan’ny lalana ireo mpitatitra satria ho haingana ny fivezivezena ary hihena ny fahasimban’ny fiara rehefa vita ny lalana ka izany indrindra no handraisan’izy ireo anjara mavitrika amin’ny asa.
Anisan’ny lalana tena be mpampiasa nefa ratsy dia ratsy ary tena mampitaraina ny mpampiasa lalana ny
mankany amin’ny distrikan’ Andramasina iny. Miainga eo Ambatofotsy hatreo Andramasina izay mirefy 23 km. Eo Andramasina hatrany Anempoka kosa misy 7 km. Miala eo Anempoka hatrany Alatsinainy Bakaro mirefy 19 km. Eo Anempoka hatrany Ambohimiadana mahatratra 23 km. Hatao rarivato avokoa ny ampahan-dalana eo Anempoka an-tampon-tanàna.
Efa eo Ambatofotsy avokoa ireo “engins” rehetra hanatanterahana ny asa toy ny pelleteuse, tractopelle, niveleuse, chargeuse, ny kamiao citerne ary ny kamiao hanatanterahana ny asa. Ivoahan’ny vokatra marobe iny lalana mampitohy amin’ny distrikan’Andramasina iny. Anisan’izany ny karazana legioma sy ny asa tanana. Ho mora amin’ireo tanora any ihany koa ny handranto fianarana aty an-drenivohitra rehefa vita tanteraka ny lalana.
Tatiana A