INDRAY MIJERY

Tsy niandry! Namoaka ny tetiandro hizarana ny vatsim-pianarana efa-bolana, ho an’ny oniversitem-panjakana rehetra ny minisiteran’ny Fampianarana ambony raha vao nanao fanambarana iraisana ny fikambanan’ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo. Nanomboka ny 24 aogositra ka hatramin’ny faran’ny volana aogositra ny fandoavana ny vola.

Voaloa 100% ny tambin-karama nandritra ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC taona 2022 ho an’ireo mpampianatra ao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Betroka. Efa nanao fanamby ny minisitera fa hiezaka hanefa ny trosa rehetra ho an’ny tambin-karama tsy mbola voaloa teo aloha ho an’ny fanadinam-panjakana roa.

Manomboka anio ary haharitra 5 andro ny Androm-pirenena ho an’ny ankizy katolika tanterahina eto amin’ny diosezin’Antananarivo. An’aliny, araka izany, ireo ankizy avy any amin’ny faritra tonga eto. Ankizy maherin’ny 800 sy mpanabe maherin’ny 200 no solontenan’ny diosezin’i Fianarantsoa hiatrika izany.

Aleon’ny olona mandeha taxi-bisikileta miala fitohanan’ny fiarakodia rehefa eny Anosibe mihazo an’Anosizato. Mikatso tanteraka ny fifamoivoizana fa ny bisikileta kosa afaka misisika ka misafidy handeha amin’izy ireny ny mpanjifa. Manampy ny mpiantsena ihany koa ny fisian’ny taxi-bisikileta.

Partager sur: