Maneho ny fahavononany hanohana ny taranja karate, amin’ny fanomanana sy fiatrehana ny lalaon’ny Nosy, ireo minisitra mpiahy ity taranja ity. Nampanantena hanome valin-kasasarana ho an’izay mahazo medaly izy ireo.
Tonga nitsidika ny ekipam-pirenena malagasy tetsy amin’ny Madagascar Espace By-pass, omaly, ireo minisitera roa mpiahy ity taranja ity. Nambaran’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao, Andriamanohisoa Gérard, fa tsara fiomanana ny taranja karate. Izany indrindra no antony hanohanany ireo atleta sy ny mpanazatra. Ankoatra ny fanohanana amin’izao fampivondronana izao, hahazo fankasitrahana avy amin’ireto minisitra mpiahy ireto ny mpikatroka mahazo medaly mandritra ny lalaon’ny Nosy, toraka izany koa ireo mpanazatra.
Nanamafy ny filohan’ny federasiona malagasin’ny karate, Ratefinanahary Emile, fa matotra ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny COJI, miaraka amin’ny minisitera mpiahy sy ny hotely mampiantrano. Nanamafy kosa ny minisitra mpiahy fa tsy vao izao no nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny taranja karate, fa efa talohan’ny fiadiana ny amboaran’ny filoha.
23 mianadahy no hiatrika ny JIOI
Karateka 31 mianadahy no miaraka manoman-tena eny amin’ny Madagascar Espace, By-pass. 23 mianadahy kosa no tena hiatrika ny lalaon’ny Nosy, hahitana 14 ho an’ny sokajy lehilahy ary 9 kosa ny sokajy vehivavy. Miomana ho amin’ny lalao iraisam-pirenena hafa maro miandry ny karate malagasy kosa ireo mpikatroka ambiny tsy manao JIOI, araka ny fanazavana. Nisafidy ny hitondra manam-pahaizana avy eto an-toerana ny federasiona hanome fiofanana ny atleta malagasy, fa tsy hisy ny fivoahana any ivelany. Hisy kosa ny fiofanana ho an’ny mpitsara hatao any ivelany, ny volana aogositra ho avy izao.
Nanararaotra nanamafy ny filohan’ny FMK fa manameloka tanteraka ny filazana ny tsy maha ara-dalàna ny federasiona tantanany. “Aleo hijanona hatreo ny resaka mampisavorovoro saina ny atleta, tokana ny FMK”, hoy ny nambaran’ity filohan’ny federasiona malagasin’ny karate ity.
Mi.Raz