Manoloana ny fahafatesan’ny zazalahy 7 taona nofaohin’ny fiara teo anoloan’ny hopitaly manara-penitra Morafeno, ny 23 jola y teo, mitaky ny hampiharana ny lalàna amin’ny mpitondra ny fiara ny fianakaviany. Araka ny angom-baovao, mandeha ny feo fa havoaka hody any an-tokantranony ilay renim-pianakaviana nitondra ilay 4×4, aorian’ny 48 ora nihazonana azy. Manahy amin’ny fahafantaran’io nahavanon-doza io olona ambony, araka izany, ny havan’ilay zazalahy. Mbola sahirana amin’ny fikarakarana ny renin’io zaza io rahateo ireto farany. Tsiahivina, nairaka voafaokan’ny fiara tamin’ny andro tsingerin-taonany, ny alahady teo, ilay zazalahy sy ny reniny. Maty tsy tra-drano tamin’izany ilay zaza. Nosokirina tao anelanelan’ny fiara sy ny tamboho ny reniny. Naratra mafy io renim-pianakaviana io ka voatery nentina novonjena eny anivon’ny hopitaly. Ho tontosaina anio, ny fandevenana ilay zanany lahy. Manaraka akaiky ny raharaha ny solontenam-panjakana ao an-toerana ka andrasana ny tohiny.
Sajo