Fanapahan-kevitra samirery ny an’ny UCTU hampiakatra ho 800 Ar ny saran-dalan’ny taxi-be amin’ny 1 aogositra. Handray fepetra ny tomponandraiki-panjakana amin’ny tsy fanarahan-dalàna.
Modian’ny Fiombonan’ ny kaoperativa mpitatitra an-tanàn-dehibe (UCTU) tsy fantatra ny lalàna. Voalaza anefa fa tsy maintsy mampahafantatra ny rafitra mahefa ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ny mpitatitra isaky ny manova na mampiakatra ny saran-dalana. Aorian’izay vao tokony hisy ny fifampidinihana. Tsy narahin’ny UCTU anefa izany, tsy nisy antontan-taratasy na iray aza napetrany ao amin’ny CUA, hatramin’ny omaly hariva, nanoratana ny lahatsoratra.
Rehefa tena zohina, misavoritaka ny UCTU, satria tsy hevitry ny maro anisa ity noraisiny ity. Tsy ny antsasa-manilan’ny kaoperativa akory ireo nivory omaly, tetsy Ambodivona, nanapaka hampiakatra ho 800 Ar ny saran-dalana taxi-be eto an-drenivohitra, fa ny 16 amin’ny 45 ihany.
Asa mitsinjo ny besinimaro ny fitateram-bahoaka. Tsy nihetsika ny vidin-tsolika hatramin’ny jolay 2022, niakaran’ny saran-dalan’ny taksibe ho 600 Ar. Tsy nisy koa ny tena fiakaran’ny vidin’ny kojakoja mihoampampana. Tanjon’ny UCTU ve ny hampijaly ny vahoaka efa ao anatin’ny fahasahiranana ? Mahavariana koa fa antomotra ny hetsika iraisam-pirenena Lalaon’ny Nosy, sady taom-pifidianana ity 2023 ity. Koa, misy hevitra ambadika sa tongatonga ho azy ity ataon’ny UCTU ity amin’izao vanim-potoana izao ?
Hosintonina ny taratasin’ny fiara
Mahakasika ny haratsian’ny lalana, iaraha-mahafantatra fa efa miroso amin’ny fanarenana ny ampahany maro amin’izy ireny ny fanjakana, araka ny filankevitry ny minisitra faramparany teo.
Manoloana ireo, ho hentitra ny Fitantanana ny fitaterana an-tanàn-dehibe (DTMU) ao amin’ny CUA, amin’ny fampiharana ny lalàna. Anisan’ izany ny fisintonana avy hatrany ny taratasin’ny fiara, ho an’izay hampihatra ny saran-dalana 800 Ar, satria tsy ara-dalàna araka ny voalaza etsy ambony.
Njaka A.