Nandroba mpanangom-bokatra : dahalo roa lahy rotiky ny bala

Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny dahalo roa lahy nanafika mpanangom-bokatra tao Miadamanjaka, distrikan’i Soavinandriana, afakomaly. Nitondra vola mitentina 3 500 000 Ar, niala tao Ambatomisihazo, fokontany Antranoroa hihazo an’i Miadamanjaka, fokontany Ambohibary, ny ramatoa iray. Mpanangom-bokatra izy ka hividy entana no anton-diany. Nifanehatra tampoka tamin’ny dahalo roa lahy nitam-piadiana anefa io tompon’ny vola io. Voaambana, tsy afa-nanda ka nanolotra ny vola teny aminy izy. Lasa nandositra avy hatrany ireo olon-dratsy rehefa nahazo ny kitapo nisy ny vola. Niantso vonjy, nampandre ireo manodidina io lasibatra io. Naharay ny fitarainana rahateo ny zandary ka niroso tamin’ny fanarahan-dia. Tsy lasa lavitra, sarona ny lehilahy roa nitondra basy vita tanana. Nampitandrina azy ireo ny zandary saingy nanda izy roa lahy. Raikitra ny fifampitifirana sady nanao tongotra an-katoka ireo mpandroba. Vokany, niara-lavo ireo dahalo. Latsaka teny ampelatanany ny sakaosy nisy ny vola niampy ny basy. Naverin’ny mpitandro filaminana tamin’ilay mpanangom-bokatra ny vola.

Tsiferana R.

Partager sur: