Ranon’Ikopa-Tanjombato : Tovolahy maty nitsoraka avy eny ambony tetezana

Niantsoana mpamonjy voina ny tovolahy iray. Saika hilomano ka nitsoraka avy eny ambony tetezan’i Tanjombato. Nilentika, vatana mangatsiaka sisa hita, omaly.

Vatana mangatsiakan’ny tovolahy iray 18 taona, monina eny Tanjombato no navoakan’ny mpamonjy voina, tao amin’ny reniranon’ Ikopa, omaly atoandro. Tra-doza raha niara-nilomano ta­min’ny namany izy. Voalazan’ ny olona nahita ny zava-nisy teny an-toerana, efa-dahy izy ireo no niaraka tamin’ny fotoana nitrangan’izany. Toy ny fanaon’ny tanora, mpilalao rano eny an-toerana, nitsoraka avy any ambony arofanina amin’ny tetezana izy efa-dahy. Nifandimby nandeha tsirairay. Tsy nisy naninona ny telo lahy namany. Tsy nipoitra intsony kosa izy raha iny nilatsaka avy eny ambony tetezana iny.
Niezaka namonjy azy ny namany saingy nanano sarotra ny fitadiavana azy, efa nilentika. Voatery niantsoana mpamonjy voina nanao ny fikarohana. Tonga haingana teny an-toerana ny mpamonjy voina nanao fikarohana. “Na­haritra teo amin’ny 18 minitra teo ho eo ny fikarohana anazy avy tao anaty rano”, raha ny fanazavan’ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina. “Efa tsy nisy aina intsony izy, saingy niezaka nanao ny fomba rehetra fanavotana hatrany izahay”, hoy hatrany ny mpamonjy voina.
Voalazan’ny mponina eny amin’ny manodidina ny tetezana fa efa matetika milomano ao amin’ny reniranon’Ikopa izy efa-dahy. Fanaon’izy ireo ny mifaninana mitsoraka avy eny amin’ny tetezana milatsaka ao anaty rano. Nahava­riana tamin’ity niharam-boina ity ny nampilentika azy tao anaty rano, araka ny fanazavan’ireo namany. Natolotra ny fianakaviana ny razana.

J.C

Partager sur: