SOMBIM-BAOVAO

JIOI, notoloran’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga fitaovana ireo atleta 16 manana fahasembanana, omaly. Natao hanampiana azy ireo hiatrika ny taranja lomano. Marihina fa ity minisitera ity no voatendry hiahy azy ireo. Tsara ny mampahafantatra fa ny “Madagascar Paralymique Commity” no mampivondrona ireo atleta manana kilema ireo.

Al Nassr vs Psg, nisaraka ady sahala ny roa tonta omaly, nandritra ny lalao ara-pirahalahiana, taranja baolina kitra, natao tany Corée du Sud. Marihina fa tsy niakatra kianja, i Neymar, kintana Brezilianina, milalao amin’ny Paris Saint Germain (PSG) Frantsa. Niady tanteraka ny lalao, tsiahivina fa tsy nantsoina hiatrika ity fihaonana ity i Kylian Mbappé, mpilalao PSG.

Basikety U14
Nanao fanambarana ny klioban’ny SAC, omaly, mahakasika ny olana nisy, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy U14 zazalahy. Ho fitsinjovana ny rehetra, tsy hanao ny lalao manasa-dalana izay hihaonany amin’ny JCBA ny SAC. Tafakatra avy hatrany amin’ny famaranana, araka izany, ny JCBA.

Lomano-Mondial
Tsy dia afa-po tamin’ny vokatra azon’i Tendry sy I Jonathan, tamin’ny fifaninanana nataon’izy ireo, ao anatin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja lomano 50 m, ny Tale Teknika nasionaly eo anivon’ny federasiona. 1’10″29 ny 100 m dos an’i Tendry, raha toa ka 1’4″39 kosa ny an’i Jonathan teo amin’ny 100 m brasse. Mbola mitohy anio ny fifaninanana.

Partager sur: