Tetikasa « Tady » : hotanterahina mandritra ny 4 taona

Tontosa omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Ra­haraham-bahiny, ny lanonana fampahafantarana sy fanombohana ny tetikasa “Tady”. Tanjon’ny tetikasa ny hampandraisana anjara ny diaspora malagasy amin’ny fiainam-pirenena. Ny governemanta frantsay, amin’ny ala­lan’ny « Agence française de développement » (AFD) no ma­matsy vola ny tetikasa. Ha­haritra 4 taona ity tetikasa ity, ary ny andrim-panjakana maro ny hiara-hiasa amin’ny fanatontosana izany.
Laharam-pahamehana ny fampandraisana anjara ny rehetra amin’ny fiainam-pirenena sy amin’ny sehatra rehetra, indrindra amin’izao fifidianana izao. Izany indrindra no antom-pisian’ny tetikasa « Tady ». « Mandritra ny tetikasa, hampiana ny fahaiza-manaon’ny minisiteran’ny Ra­haraham-bahiny ahafahany manatanteraka izany an-tsakany sy an-davany », hoy ny tomponandraikitry ny tetikasa. Mitentina 7 tapitrisa Euros ny vola ampiasaina amin’izany, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, raha ny fandraisan’anjaran’ny diaspora amin’ny fifidianana. Tsy miankina amin’ny tetikasa « Tady » sy ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny irery fa eo ihany koa ireo rantsa-mangaika rehetra miandraikitra ny fifidianana.

Lin M.

Partager sur: