Olona sivy indray voasambotra tamina raharaha fakana an-keriny zaza varira iray 12 taona, tao Betamenaka, kaominina Ankalalobe, distrikan’i Belo Tsiribihina, afakomaly. Dahalo 10 lahy nirongo basy no tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny azy.
Ankizivavy tsy salama saina no niharan’ny fanolanana nataona lehilahy iray 40 taona tao Andratsiolona Andilana Avaratra, distrikan’Amparafaravola, ny faran’ny herinandro teo. Nentiny tao an-tranony ka nohidiany tao ilay niharam-boina. Ireo teny ivelan’ny trano no nahatsikaritra izany ka namaky ny trano. Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ity jiolahy ity.
Hivoaka ny 1 aogositra ho avy izao ny didim-pitsarana momba ny raharaha fanalam-baraka ny Seg, ny Jly Serge Gellé. Niakatra fitsarana omaly ireo olona fito voarohirohy amin’ity raharaha fanalam-baraka ity. Nilatsaka ho mpitory amin’izao raharaha izao ny fanjakana malagasy. Niatrika ny fitsarana ny solontena’ny Seg.
Renim-pianakaviana iray nandeha bisikileta no voaendaky ny jiolahy nitondra antsy teny Anosibe, omaly hariva. Hody eny Anosizato Andrefana izy saingy tsy nisy taxi-be ka nanapa-kevitra ny handeha taxi-bisikileta. Teo amin’ny sampanan-dalana ho any Namontana izy no nosintonin’ny jiolahy ny poketra teny an-tanany.