Tsy mbola misara-nono !

 

Tonga amin’izany tanàna indray ry zalahy vahiny ! Toa tompon-tanàna fa tsy mba mpitsidika tsotra intsony. Tena lasa mpisehatra fototra amin’ny raharaha politika eto Madagasikara. Tsy misy fotoana mba hahafahan’ilay firenena miana-mandeha. Zary tantanan-dava amin’izay atao. Hambenana toa zazakely. Tsy afa-mikofoka fa voabetroka lava na voapempo vao miana-kendry hikopa-kelatra. Mahatonga saina mihitsy ny zava-misy, anke­hitriny.
Raha efa nivoaka ny datim-pifidianana, efa samy mikotrankotrana manafana tena ny mpilalao. Indrisy, avy manao sangodim-panina indray izao karazam-pikambanana iraisam-pirenena rehetra izao. Milaza fa tsy mijabaka, kanefa mamoritra ankolaka ihany. Inona fa dia zaza sady tsy azo sarahi-nono no tsy mahasara-nono rahateo. Mitsingevaheva amin’ny fahaleovantena sarintsariny fotsiny ilay Malagasy.
Mampanontany tena ny hoavin’ilay tanindrazana malala sy ny taranaka mifandimby. Handova tsara sa hizaka ny tsindry tsy manam-piafarana ataon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ? Inona loatra ny antony? Firenena manana ny maha izy azy, tsy ambakan’izay firenen-kafa. Manana ny herijika sy ny harena isan-karazany izay tsy hita noanoa. Mahakivy ny mieritreritra fa firenena anisan’ny mpanondrana volamena be any Dubai i Madagasikara kanefa aiza ny vola miditra. Tsy asian-teny intsony ny vato sarobidy amina miliara, mivoaka isan-taona. Na izay anjara tokony ho any amin’ny kitapombolam-panjakana aza mbola mampanahy ny fisian’ny « didy antsy ». Tsy mahagaga, boribory vetaveta eto rahafantrana vokatry ny kolikoly sy ny fanodinkodinam-bolam-bahoaka.
Iza no mahita raha noho izany koa anefa no mahatonga ny vahiny ho mijabaka tafahoatra amin’ny fiainam-pirenena malagasy. Zaza maditra mila hanarin-dava ! Tsy mety tonga saina amin’ny fitiavan-tena.

r.r

Partager sur: