Ankaraobato : lehilahy maty notsatohan’ny sakaizany antsy

Nifampikasi-tanana, noleram-badiny antsy ka maty ny lehilahy iray, tetsy Ankara­obato, afakomaly alina. Efa nifamalivaly tamin’ny telefaonina, niafara tamin’ny tsin­dron’antsy namoizan’aina ny tsy fifankahazoan’ny vehivavy iray sy ny sakaizany, tao amin’ ny fokontany Ankadilalam­potsy, kaominina Ankarao­bato, ny alin’ny talata 25 jolay teo tamin’ny 7 ora hariva. Rehefa tonga tao an-trano ilay lehilahy, nitohy io ady io. Rai­kitra ny fifampikasihan-tanana. “Nahare feo niantso vonjy tampoka izahay ka nivoaka”, hoy Razafitsihoaranarivo Sa­hondra Nicole, mpiray tanàna amin’ireo mpisakaiza ireo. Nirifatra nitsoaka ilay vehivavy. Nanaraka nanenjika azy kosa ilay lehilahy. “Tampoka, nirona tao anaty tanimbary io lehilahy io ary nangataka ahy hanarina azy”, hoy hatrany ny fanamafisan’i Sahondra Nicole. Ki­nanjo, efa naratra ny tendany. Nifandrimbona nanavotra ilay naratra ka nitondra azy teny anivon’ny CSBII Ankaraobato ny manodidina. Tsy tana intsony ny ain’io lehilahy io.

Naratra ny vavan’ilay vehivavy
Tetsy ankilany, mangana ny vavan’ilay vehivavy nahavanon-doza. “Nifampisinto­man’izy roa ny antsy ka nisolifatra tampoka teny an-tendan-drangahy”, hoy ny sakaizan’ ilay namoy ny ainy, raha nanontanian’ny polisy kaominaly ao Ankaraobato. Marihina fa noho ny fananany fiainana hafa, niara-nipetraka an-tsokosoko tamin’io vehivavy sa­ka­izany io ity lehilahy maty ity, araka ny fanamafisan’ny iray amin’ireo andrimasom-pokonolona eny an-toerana. Man­dray an-tanana ny fanadihadiana ny polisy.

Tsiferana Randriatiana

Partager sur: