« Antsika Hisôma VAKANSY » : hahazo tombony ny ankizy

Tanterahina, eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola, manomboka ny 7 aogositra 2023, ny «Antsika Hisôma VAKANSY». Hetsika karakarain’ny IKM, hampahafantarana sy hampilalaovana ny ankizy ny kilalao malagasy, indrindra amin’izao fialantsasatra izao. Ankoatra ny lalao, hisy koa ny fampianarana asa tanana sy haikanto. Tanjon’ny hetsika ny hitaiza ny ankizy ao anatin’ny haikanto sy hampahafantatra azy ireo ny maha izy azy ny kilalao mala­gasy.
Atrikasa maro samihafa no ho hita, mandritra ny “Antsika Hisôma VAKANSY”, toy ny atrikasa “Kilonga mifaly”, hanaovana ny fandokoana, tsikonina, dihy ary angano. Eo koa ny “Ankizy miala voly”, hanaovana petakofehy sy fandrariana ary fanaovana sary amin’ny lokorano. Ny atrikasa “Sahy sehatra”, hampianarana ny ankizy hiteny an-kavorina sy fomba fisehoana an-tsehatra. Farany, ny “Tolakandro misôma», hanaovana kilalaon-tsaina, hijerena horonantsary, ary fanentanana isan-karazany.
Eny amin’ny IKM Antsahavola avokoa no hanatanterahana ny hetsika rehetra, mandritra ny volana aogositra.

Lin M.

Partager sur: