FANTINA sy FINTINA

Nanolotra 4 tapitrisa Ar hanohanana ny tsipy kanetibe, mandray anjara amin’ny Lalaon’ny Nosy, omaly, teny amin’ny Complexe sportif Vontovorona, ny minisitra roa lahy: ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany (MEH), Rakotomalala Olivier, sy ny minisitry ny Asa (MEFPLS), Richard Jean Bosco. Medaly volamena 9 no hiadiana, amin’ny “triplette”, doublette”, “mixte” ary ny “tir de precision”. Hojerena akaiky ny singa mbola ilàna fanampiana na olana hovahana.

Mitohy any Boeny, Betsiboka ary Sofia, ny fidinana ifoton’ny Vaomiera iombonana ao amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany. Natao izany mialoha ny fanavaozana ny fahazoan-dalana PRE ho an’ny mpitrandraka madinika. Anisan’ny notetezina ny any Ankaraobato, Manaran­tsandry, Antanimasaka, Ambondromamy ary Maevatanana.

Haloa avokoa ny volan’ireo orinasa nanaony tsenam-baro-panjakana. Nisy ny fanadihadiana samihafa natao momba ny asa nandrasana sy ny fanajana ny bokin’andraikitra nifanarahany tamin’ny fanjakana malagasy. Efa ela ireo mpandraharaha no tsy nahazo ny volany.

Nohamafisina ny fahaiza-manaon’ny teknisiana ao amin’ny minisiteran’ny Varotra, ny indrostria ary ny fanjifana (MICC). Natao tany Ampefy ny fiofanana, nanomboka ny 24 jolay, ary haharitra 5 andro, nentina nifehezan’ny mpiasa ny fampandrosoana ny indostria no anton’ny fiofanana.

Partager sur: