Mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ny firenena malagasy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana ny fambolena (FIDA), amin’ny ady amin’ny fahantrana any ambanivohitra, ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana maharitra ary ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nanamafy izany ny fihaonan’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ramilison Harifidy sy ny filoha lefitry ny FIDA, Donal Brown, tany Roma, nandritra ny fivoriana maneran-tany momba ny rafitra ara-sakafo, niarahana tamin’ny Firenana mikambana (ONU), ny talata teo. Tsy nahasakana ny fiaraha-miasa tamin’ity mpamatsy vola ity ireo krizy samihafa nandalo teto Madagasikara. Mijanona ho mpiara-miombon’antoka mafonja miady amin’ny fahantrana mahakasika ny 80%-n’ ny Malagasy ny FIDA. Niara-niasa akaiky tamin’ny fanjakana malagasy izy tamin’ny fandrafetana ny fandaharanasa (COSOP) mifanaraka amin’ny politikan’ny fampiroboroboana ny fambolena malagasy. Nitsangana taorian’izay ny fandaharanasa sy tetikasa samihafa momban’ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy fampiroboroboana ny fambolena. Voaresaka nandritra io fivoriana io koa ireo fomba entina hanatsarana ny asa vita sy ny tetikasa mbola hatao.
Henintsoa Hani