Natao tetsy Andavamamba, omaly, ny atrikasa nandrafetana ny Drafi-pirenena hiatrehana ny hamehana. Hanavotana ireo faritra tena voa mafy sy nitondra takaitra tamin’ny loza voajanahary misesy izany. Mitarazoka ny fahavoazana amin’ny faritra sasany. Hisorohana izany mandritra ny maitsoahitra ho avy ity drafi-pirenena ity.
Hentitra ny SMGD miandraikitra ny toeram-piantsonan’ny fiara eto Antananarivo Renivohitra amin’ny fifehezana ny toerana. Nasiany fanamarihana hatry ny omaly fa voararan’ny lalàna ny fanasana fiara amin’ireny toerana ireny satria manimba lalana. Iharan’ny sazy avy hatrany ireo minia mandika izany.
Ahitana efitrano fianarana telo ny EPP vaovao vao haorina ao Marotaola, fari-piadidiam-pampianarana Belo-Tsiribihina. Haharitra 120 andro ny asa ary tontosa omaly, tany an-toerana, ny fametrahana ny vatofototra. Hitombo ny isan’ny mpianatra azo
raisina rehefa vita ny fotodrafitrasa vaovao.
Entanina hatrany ny mpampiasa ranomasina any amin’ny morontsiraka afovoany atsinanana sy avaratra atsinanana hanaraka ny toromariky ny manampahefana eny ifotony satria hahery ny ranomasina, hoy ny sampana famantarana ny toetry ny andro, omaly. Manankery anio ny filazana, mety hiteraka fahasarotan’ny fifamoivoizana ny tanjaky ny onja.