Lalaon’ny Frankofonia : Niainga, omaly, ny andiany voalohany

“Manana solontena ny Ma­lagasy ary vonona hibata fandresena”, io no nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja, omaly, momba ny fandraisan’anjaran’i Madaga­si­kara amin’ny lalaon’ny Fran­kofonia. Nambarany fa niainga, omaly, ny ampahany voalohany hiatrika ny andiany faha-9 amin’ity hetsika ity, hotanterahina any Kinshasa RD Congo, ny 28 jolay hatramin’ny 6 aogositra izao. Ny taranja Judo ihany no ho tara kely, noho ny mbola fiatrehan’ireo atleta malagasy ny fiadiana ny tompondakan’i Afri­ka, hatao eto Madagasikara, manomboka anio. Ny sabotsy izao no hiainga izy ireo.
Taranja roa ihany kosa no tsy hiatrika ity lalaon’ny Fran­kofonia ity, dia ny baolina kitra sy ny atletisma ho an’ny ma­nana fahasembanana, noho ny antony manokana avy amin’ ny mpandray anjara.
Rakotoarimanana Fabio, atleta eo amin’ny taranja tenisy ambony latabatra, no nosafidiana hitondra ny sainam-pirenena malagasy, amin’ny fanokafana ny lalao. Rasoa­na­ivo Razafy Laura, judokas ko­sa no hitondra izany, mandritra ny lanonam-pamaranana.

Mi.Raz

Partager sur: