Mila mailo ny mponina eto Antananarivo ka hanamarina tsara ny olona tonga milaza ho mpitsirika avy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sady mitaky vola.
“Betsaka ny fitarainana fisolokiana voarain’ ny tomponandraikitry ny kaominina Antananarivo Renivohitra ary miha maro izany tato ho ato ka ilana fandraisana andraikitra”, hoy ny talen’ny Tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, Ramilijaona Andry, omaly, teny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely. Misy olona mitonona ho mpanolotsain’ny tanàna tonga mitsirika ny asa fanorenana tsy ara-dalàna eny ifotony any amin’ny fokontany mitaky vola. Tokony ho manana karatra manokana misy sary ary miaraka amin’ny ekipan’ny “Direction de l’urbanisme” eo anivon’ny CUA sy ny « verbalisateur » hatrany ireo mpitsirika vita fianianana tonga manao ny asany. 22 ireo mpitsirika eny ifotony ny fanorenana tsy ara-dalàna nahazo fankatoavana ary tsy misy fangalana vola na Ariary aza mandritra ny fidinana. 10 avy amin’ny Direction de l’urbanisme ary 12 kosa avy amin’ ny boriborintany enina eto
an-dRenivohitra. Afaka mametraka ny antontan-taratasy fangatahana fanorenana vaovao na fanitarana trano ny tsirairay eny anivon’ny boriborintany misy azy na koa manatona ny varavarana faha-15 eny amin’ny Lapan’ny Tanàna. Ilaina rahateo amin’ny fangatahana fampidirana rano sy jiro ny fahazoan-dalana hanao fanorenana na fanitarana omen’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Fanambin’ny ben’ny Tanàna rahateo ny hanamora ny fampidirana rano izay efa nankatoavin’ny mpanolotsain’ny tanàna, nanomboka ny taona 2022. Toy izany koa ny fampidirana jiro nolanin’ny mpanolotsaina, nandritra ny fivoriana ny 17 ka hatramin’ny 19 jolay lasa teo, hanamaivanana ny fahasahiranan’ny olona amin’ny fikirakirana ny antontan-taratasy mifandraika amin’izany.
Vonjy A.