Nikasa hanavotra olona voatafika : mpamily taxi maty voatifitry ny jiolahy teo amin’ny lohany

Notifirin’ny jiolahy teo amin’ny lohany ny mpamily taxi iray teny Ankadindratombo, omaly hariva. Hanavotra vehivavy iray tomponandraikitry ny tranombarotra iray voatafika izy, kanjo izao voatifitra izao.

Maty tsy tra-drano ny mpamily fiara taxi, 4L, iray teny Ankadindra­tombo, omaly hariva tamin’ny 7 ora, vokatry ny tifitra nata­on’ny jiolahy teo amin’ny lohany. Notafihina jiolahy telo nisatroka sy nanao «capuchon» niaraka tamin’ny basy mahery vaika, ny toeram-pivarotana iray eny Ankadindratombo tamin’io fotoana io. Niditra an-keriny tao am-pivarotana ireo olon-dratsy ka namantana teo amin’ny misy ny fitoeram-bola. Norahonan’ireo jiolahy hotifirina ny vehivavy iray tomponandraikitr’ity tranombarotra ity. Lasa ny vola “versement” rehetra omaly tontolo andro. Nodarohan-dry zalahy ity vehivavy ity saingy afa-niantso vonjy ihany na teo aza izany. Naheno izany ny mpamilin’ilay taxi ka niditra hijery ny zava-misy tao am-pivarotana, kanjo tifitra teo amin’ny lohany no nitsena azy. Nanapoaka basy indroa ireo jiolahy ka ny faharoa no niantefa teo amin’ny lohan’ilay niharam-boina. Maty tsy tra-drano avy hatrany izy. Nihazo ny lalana mankany Mahazoarivo ireo olon-dratsy niaraka tamin’ny vola. Tsy nisy nahahetsika ireo olona teo amin’ny manodidina ary taitra mihitsy fa noheverin’izy ireo fa kodiarana fiara nipoaka. Ilay niharam-boina efa nitsirara nihosin-dra teo akaikin’ny fivarotana no nahataitra ny manodidina. Voalazan’ireo olona mahafantatra azy fa monina eny Ambohipo ity raim-pianakaviana ity fa miasa eny An­kadindratombo. Fotoana fohy taorian’ny fanafihana, tonga teny an-toerana ny polisy na­nao fanadihadiana sy nanara-dia ireo olon-dratsy. Niho­ro­horo tanteraka, araka izany, ireo mponina nandritra ity fanafihan-jiolahy ity. Marihina fa tamin’ny 7 ora hariva toy izao koa ilay trangana fanafihana tamina Cash point iray eny Ankasina, afakomaly.

Jean Claude

Partager sur: