Hotokanana ny alahady 30 jolay izao ny “Kianjan’ny Hiragasy”. Fotodrafitrasa nampanantenain’ny minisiteran’ny Serasera izy ity, etsy Ampefiloha, ambadiky ny Tranombokim-pirenena. Hanomboka amin’ny 1 ora tolakandro ary hofaranana amin’ny ady hiragasy hifanandrinan-dRapaulson Fenoarivo Gara sy Ratovoelson Etienne Ambatonapoaka ny lanonana.
Andiany fahefatra ny atrikasa sy fiofanana karakarain’ny vondrona “Valihan’Ikaky”, amin’ny sabotsy izao, ao amin’ny Lycée Privé Daniel Andravoahangy Ambony, hiompana amin’ny fifamatoran’ny fanorona sy ny kabary ary ny valiha ny lohahevitra. Samy kolontsaina malagasy manomboka mivelatra any anivon’ny fiarahamonina izy ireo.
Mandritra ity fialantsasatra lehibe ity, hanatanteraka fampianarana momba ny kolontsaina sy zavakanto malagasy ny mpianatra fahiny tao amin’ny Foibe fampianarana kolontsaina Zanabaliha. Noraisin’ izy ireo ho andraikitra voalohany amin’izany ny fampitana momba ny lamina voajanahary.
Hisy fiarahana indroa amin’ny tarika Feo Gasy amin’ity faran’ny herinandro ity. Etsy amin’ny Piment Café Behoririka ny voalohany, ny zoma 28 jolay, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Eny amin’ny Mining Business Center Ivato kosa ny faharoa, ny sabotsy 29 jolay amin’ny 11 ora.