Very ny kolontsaina : nanjary sarotra beazina ny Malagasy

Mifamatotra amin’ny kolontsaina ny fanabeazana. Nifampihataka tsikelikely izany ho an’ny Malagasy. Nanako teny amin’ny fiarahamonina ny vokany.

Ny zanaka no harena. Ny taranaka no ho dimby… Nanabe o olom-banona ny Malagasy. Anisan’ny fitaovana nentiny hanatanterahina izany sady nanampy azy rahateo ny kolontsaina sy ny zavakanto. Mba hampirindra ny lamina rehetra, nomeny hasina sy lanja ny fampitana ireny ho an’ny taranaka. Ni­ampy, niova, nifangaro, tamin’ ny an’ny hafa anefa izany rehefa tafiditra teto Mada­gasikara ny vahiny.
Nanomboka very tsikelikely ny tena fototra. Nipoitra nanaraka avy ato aoriana ny kisadasada sy ny forongony. Ilay ray aman-dreny natao ho fanaja, novingavingaina. Ny fady mianatsimo loha, nambara ho finoanoam-poana. Ny tsodrano, ny selatrafo, ny fampiasana raokandro, nolazaina ho fanompoan-tsampy, sns. Niova ny fiainam-piarahamonina malagasy. Ny fifanajana nobaikoin’ny tahotra.

Tsy mahita ny lalan-kizorany

Tsy hita intsony ny tsodrano, ny vavaka amin-Janahary, ny velirano, ny alafaditra… Mitsapatsapa ny taranaka aty aoriana. Tsy mahita ny tena lalan-kizorana. Ireo kolon­tsaina sy zavakanto natao hanampy, tsy hay sy tsy fantatra ny momba azy. Ireo heverina fa nahatadidy, efa natao tsinontsinona. Vokany, ny diso nanjary marina tompoina. Ny fahendrena nitambotsotra ho adalana…
Anisan’ny vahaolana haingana sy mahomby hamerenana amin’ny toerana sy ny lanja sahaza azy ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ny fanovana ifotony ny fandaharam-pianarana. Esorina izay tsy sahaza ny fiarahamonina malagasy. Omena laka ny maha Malagasy. Mila mahafantatra ny tenany sy ny momba azy manontolo ny Malagasy tsirairay. Raha tsy mbola izay no tanteraka, ho kilalaom-bahiny eto hatrany ny Malagasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: