Hanampy amin’ny famahana ny olan’ny herinaratra eto an-drenivohitra hatrany amin’ny faritany, tokantrano 3 000 no efa misitraka ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro, araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Lidera Green Power, Tidiani Tall Jeff, tetsy Ankadimbahoaka, omaly. Io orinasa io izay iray amin’ireo mamokatra angovo anatin’ny vondrona Filatex. Mahatratra 8,4 MW amin’izao fotoana ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro vokarin’ny vondrona. Ahitana toby mamokatra izany, ny renivohi-paritany ao Antsiranana, Mahajanga, Toamasina hatrany Toliara. Mikendry ny hampiroborobo ny tetikasa ahafahana miroso hatrany amin’ny angovo maitso izy ireo. “Tanjona ny hampihena ny solika mavesatra ampiasain’ny Jirama”, hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny Afripower, Tahiana Ramanandray. Ho an’Antananarivo, tompon’antoka amin’ny fanodinana ny milina telo mamokatra 30 MW ao Mandroseza, ny Afripower. Malagasy teknisianina avokoa ireo misehatra anatin’io orinasa io.
Tsiferana R.