Dimy lahy saron’ny zandary nitondra rongony 12 gony tao Tarasambo, fokontany Marogoro, samy ao anatin’ny kaominina Beanana, distrikan’Ambatondrazaka, ny talata 24 jolay teo. Nanao fisafoana tampoka, nifanehatra tamin’ny roa lahy naneho fihetsika hafahafa ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Beanana. Natao famotorana, nitoroka ny namany sy ny toerana misy ireo rongony izy mirahalahy. Nanao vela-pandrika, tra-tehaka ny telo lahy niaraka amin’ny rongony 12 gony. Nokasaina hamidy an-tsinjarany ireto entana ireto. Nentina natao famotorana izy dimy lahy. Nogiazana ny rongony izay nahatratra 137 kg. Ho doran’ny tomponandraikitra ao an-toerana io rongony io. Atolotra ny fampanoavana aorian’ny fanadihadiana kosa izy dimy lahy.
Tsiferana R.