Akademia Malagasy: hikatona ny taom-piasana 2022 – 2023

Hofaranana, rahampitso, manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina, eny amin’ny Lapan’ny Akademia Mala­ga­sy, Tsimbazaza ny taom-piasana 2022 – 2023. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana fizarana voalohany ny fa­nolorana ny loka tamin’ny fifaninanana famoronana sorakanto nampanaovin’ny Foibe momba ny teny, an’ny Akade­mia Malagasy, nandritra ny « Iray volan’ny teny malagasy ».
Hitazona ny ampaham-potoana faharoa ny seho randrambalo miompana amin’ny lohahevitra « Ny lam­ba ». An­kolafy maro no handray anjara amin’izany. « Mu­sée de la photo » hiompana amin’ny « Indray mielatra an-tsary amin’ny tantaran’ny lamba. « Ny hakanto sy ny hevitry ny lambaoany », hiarahana amin’ny Rasoarifetra Bako. Vakodra­zana « Tany malaza », « Iari­vo », miaraka amin’ny Benja Gasy. Hihira ny « Ny lamba malagasy » sy ny « Tovovavy malagasy », « Zavavy », ny tarika Tafasiry kolo kanto. Hiantsa ny tononkalo « Asam­­piko » sy ny « Le lamba » ny mpikambana Havatsà-Upem, raha ny « Ny lambako » ny an’ny Faribo­lana Sandratra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: