Ambolokandrina : Jiolahy tratra teo am-pamelomana moto anaty garazy

Nosamborin’ny polisy mi­asa ao amin’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohija­tovo, afakomaly misasakalina, teny Ambolokandrina, ny jiolahy raindahiny amina halatra. Voarohirohy ho nangalatra tao amina garazy iray eny an-toerana izy. Roa lahy izy ireo no niditra tao amin’ity garazy fitoerana moto an’olona iray mipetraka eny Ambolo­kan­drina ity. Henon’ny tompon-trano anefa izy roa lahy niezaka namelona ny moto. Taitra ny tompon-trano ka nidina nijery ny zava-niseho tao amin’ny garazy. Vao nahita ny tompon-trano ny jiolahy iray dia lasa nandositra raha voatazona kosa ny iray. Tonga teny an-toerana naka azy ny polisy rehefa nantsoina. Naiditra am-ponja eny Antanimora ity jiolahy ity raha eo am-pikarohana ny namany kosa ny polisy.

Vehivavy efatra mpanao hala-boty koa tratran’ny polisy teny Tanjombato, afakomaly hariva. Maro ny fitarainana voarain’ny polisy momba ny fisiana hala-boty amin’iny faritra iny ka nahatonga ny polisy nanao hetsika manokana hamongorana izany. Fantatra taorian’izay fa izy efa-bavy ireto no tena tompon’antoka amin’izany ka nahatonga ny polisy niroso tamin’ny fisamborana.

Jean Claude

Partager sur: