Mitohy ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka karakarain’ny ekipan’ny departemanta misahana ny Asa sosialy sy ny fahasalamana eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Eny amin’ny boriborintany fahenina, ao amin’ny fokontany Ambohimandroso, indray ny hetsika, nanomboka ny talata lasa teo ary hifarana rahampitso. 600 mahery ireo nisitraka ny tolotra ara-pahasalamana hatramin’ny omaly. Ahitana fizaham-pahasalamana maro samihafa eny an-toerana. Anisan’izany, ny fijerena maso, fanaraha-maso ny fahasalaman’ny zaza, fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny, fitiliana (diabeta, tosidra, fandrindram-piterahana, fanomezana ody kankana ho an’ny ankizy…). “Tsy afa-misaraka amin’ny fahasalaman’ny olona ny sosialy sy ny fitsinjovana ny fahasalam-bahoaka toy izao”, hoy ny Dr Raharinandrasana Hajatiana, tale misahana ny Asa sosialy sy fahasalamana. Nahasarika vahoaka maro ny hetsika, manararaotra mijery ny toe-pahasalamany avokoa ireo olona tonga nanatona teny an-toerana, raha ny fanazavana. Ankoatra izay, niezaka namaha ny olana ara-tsosialy mahazo sy mianjady amin’ireo olona tonga nitaraina ihany koa ny tomponandraikitra. Nihaino ny fitarainan’ny olona teo amin’ny lafiny ara-tsosialy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo nandritra izany. Ankoatra izay, mandray an-tanana ireo zaza misy «hernie » ihany koa ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Hitohy amin’ny boriborintany voalohany indray ny hetsika manaraka.
Mino