CUA – Hetsika ara-kolontsaina: manome hasina sy lanja ho an’ny teny malagasy ny kabary

Miaina ao anatin’ny karazana fiteny isan-karazany ny vahoaka malagasy ankehitriny. Tsy manome lanja ny fiteniny ny ankamaroan’ny olona, raha ny zavatra tsapa. Manampy hanome hasina ny tenim-pirenena, ny fianarana kabary.

Mikarakara hetsika fampianarana kabary sy kilalao malagasy maimaimpoana ny eo anivon’ny fitaleavana misahana ny haikanto, kolontsaina ary ny fiainam-piarahamonina eo anivon’ny kaominina Antanana­rivo Renivo­hitra(CUA). Hisitraka izany ireo ankizy sy tanora eny anivon’ny boriborintany enina, hanaovana ny hetsika. Manom­boka ny alarobia 2 aogositra hatramin’ny 13 Septambra hoavy izao, mandritra ny fotoam-pialantsasatra ny fampianarana ho an’ny ankizy latsaky ny 15 taona. Hitohy mandavantaona isaky ny Sabotsy sy Ala­hady, ny hetsika ho an’ireo mi­hoatra ny 15 taona. Tanjona ny hisarihana azy ireo ho tia vaky boky sy hamerenana ny hasin’ny teny sy ny kilalao malagasy. « Fomba iray hisarihana ny ankizy sy ny tanora ho tia mamaky boky ny seho amin’ny endrika ara-haikanto sy ara-kolontsaina », hoy ny lehiben’ny sampandraharaha mi­sahana ny haikanto, kolontsaina ary ny vaky boky eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) , Andriamanamihaja Hira, raha nanontaniana teny Ambatonakanga, omaly. Miaina anaty karazana fiteny maro samihafa (frantsay, anglais…) ny vahoaka malagasy ankehitriny noho ny fanatontoloana misy. Nilaza izy fa tokony homena lanja ny fiteny malagasy alohan’ny hanajana ny tenim-pirenena hafa. Niainga tamin’ny fanaovana fifaninanana sy filalaovana tantara an-dapihazo teny anivon’ny boriborintany enina ny hetsika. Nampitaina tamin’ny alalan’ny kabary izany ka nahafantarana fa misy lanjany ny teny malagasy. Hotolorana mari-pankasitrahana ireo nahavita fiofanana sy ireo afa-panadinana rehetra amin’ny herintaona.

Mino

Partager sur: