FANTINA sy FINTINA

Nambaran’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana, fa manohana ny Ceni izy ireo. Na izany aza, tsy hanaiky lembenana amin’ny zavatra tsy mety sy ny tsy fanarahan-dalàna. “Tsy azo ekena ny hala-bato sy ny kolikoly amin’ny fifidianana”, hoy izy tamin’ny fikaonandoha, notarihin’ny Ceni, tetsy Ambodivona, omaly.

Misy ny fanaovana « Service minimum» ao amin’ny Cnaps, araka ny fanambaran’ny Sendikan’ny mpiasan’ny Cnaps, omaly, teny Ampefiloha. Nisy ny marimaritra niraisana hita taorian’ny fivoriambe niarahana tamin’ny minisitry ny Asa sy ny fampananan’asa ary ny lalàna sosialy, ny alarobia lasa teo.

“Tsy fanakanana kandidà ny anto-bola 200 tapitrisa Ar”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV sady governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Tokony ho fandaharanasa no haseho amin’ny fifidianana.

Nambaran’ny solontenan’ny Pnud eto amin­tsika, i Issa Sanogo, omaly, fa hanaovana tombana amin’ny ezaka vitany ireo firenena rehetra mpikambana eo anivon’ny ONU. Anisany i Madagasikara.

Partager sur: