Handball – JIOI 2023: nitsidika ny Akio ny minisitry ny Jono

28 andro sisa, hanomboka ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, izay hotanterahina eto amintsika, manomboka ny 25 aogositra – 3 septambra ho avy izao. Tonga nitsidika ny Akio, ta­ranja handball, i Mahatante Paubert, minisitry ny Toeka­rena manga sy ny jono sy ny sekretera jeneraliny, ny alarobia lasa teo, teny Vontovorona.
Niresaka mahakasika ny hetahetan’ny mpilalao no anton’ity fihaonana ity. Marihina fa atleta avy any amin’ny faritra avokoa izy ireo, ary efa nahazo amboara betsaka. Ankoatra izay, notoloran’ity minisitra ity fanampiana ara-tsakafo ny Akio, mba hahazoan’izy ireo hery sy tanjaka amin’ny lalaon’ny Nosy.
Marihina fa ny minisitry ny Toekarena manga sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny no mpiahy ny taranja handball eto amintsika. Ankoatra ny lalaon’ny Nosy, hiatrika fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “IHF Trophy Challenge Conti­nen­tal”, sokajy vehivavy, ny Akio “Junior” sy “Cadette”. Fifa­ninanana hotanterahina ny 8 -12 aogositra ho avy izao. Tsia­hivina fa izy ireo no tompondakan’ny Zone 6, fifanintsanana natao tany Afrika Atsimo, ny volana mey lasa teo.

Fitia

Partager sur: