“Rankizy! Ndao hiara-dia hitory ny vaovao mahafaly ho fanantenan’ny eglizy”. Io no lohahevitry ny Androm-pirenena ho an’ny ankizy (JNE III) katolika andiany fahatelo.
Natao omaly, tetsy amin’ny Esca Antanimena, ny sorona masina fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny hetsika, miaraka amin’ny fivondronamben’ny Eveka manerana ny Nosy, tarihin’ny arseveka
Mgr Rabemahafaly Fulgence. Manodidina ny 15 000 ireo ankizy tonga manatrika ny fihaonana eto Antananarivo avy amin’ny diosezy 22, manerana ny Nosy.
Fanabeazana ara-batana, ara-panahy, ara-tsaina no omena ny ankizy. Nivoitra tao anatin’ny hafatry ny toriteny ny maha zava-dehibe ny fanabeazana miantoka ny fanarenana ny firenena. Tsy azo ekena ny fanosihosena ny fanabeazana toy ny nitranga tamin’ny bakalorea farany teo.
Fifanakalozana ara-kolontsaina, katesizy ary fanentanana momba ny fanajana ny tontolo iainana no ifantohan’ny fihaonana. Ao anatin’izany ny fitaizam-panahy omena ireo ankizy.
Haharitra 4 andro ny fanamarihana ny Androm-pirenena ho an’ny ankizy. Ny sabotsy izao, hitohy eo amin’ny Esca Antanimena ny fampisehoana ara-kolontsaina hanehoana ny fomba fitafy mampiavaka any amin’ny diosezy misy azy avy. Eny Soamandrakizay kosa ny alahady no hamaranana ny fotoana sady handraisana ny arseveka vaovao, Raoelison Jean de Dieu, izay apetraky ny nonce apostolika, solontenan’ny Papa, amin’ny maha arsevekan’ Antananarivo azy.
Efa voazarazara isaky ny diosezy ny toerana.
Tatiana A