Lalaon’ny Frankofonia: miisa 20 ny Malagasy mpanakanto handray anjara

Nihaona sy nahazo tsodrano tamin-dRakotondrazafy Lalatiana, minisitry ny Sera­sera sy ny kolontsaina, ny de­legasion’ny kolontsaina, izay hiatrika ny lalaon’ny Franko­fonia, andiany fahasivy, oma­ly. Fifaninanana hatao ao Kinshasa, RD Congo, ny 28 jolay 2023 hatramin’ny 5 ao­gositra 2023 izao. « Adidy sy andraikitra ny fiantsorohana ireto maherifon’ny firenena ireto amin’izao fifaninanana hatrehany izao. Ary amin’ny maha delegasion’ny kolontsaina azy ireo sy ny maha minisitera mpiahy anay no nanaovana izao fitsofan-drano sy fanohanana izao », hoy Rakoton­drazafy Lalatiana. Omaly alina no nanainga ireto delegasionina ireto, niaraka tamin’ny de­legasionina malagasy hamonjy izany lalao lehibe izany.
Mpanakanto samihafa, mi­isa 20 no hisolo tena an’i Ma­dagasikara, eo amin’ny sehatry ny kolontsaina, mandritra ny lalaon’ny Frankofonia. Mandra­fitra izany ny mpandihy, mpanao tanisa, mpihira, mpanao sary sokitra, mpanao hosodoko, mpanoratra, mpa­ka sary pika… Miaraka amin’izy ireo ao anatin’izany ihany koa ny mpandrindra miisa 4, avy eo amin’ny minisiteran’ny Sera­sera sy ny kolontsaina. Izy ireo izay hiantoka ny fandrindrana ny fifaninanana hatrehan’ny so­lontena malagasy, mba hifantohan’ireto maherifon’ny Malaga­sy ireto soa aman-tsara amin’ny fifaninanana hatrehany, araka ny nambaran’ny minisitra hatrany. Anio alina no hanatanterahana ny lanonam-panokafana ny lalaon’ny Frankofonia, andiany fahasivy.

Lin M.

Partager sur: