« Lecture en rire »: hanitarana ny sain’ny ankizy sy ny tanora

Ahitana hetsika “lecture en rire” indray mandeha isam-bolana, alarobia faharoa amin’ny volana, mifandimby isaky ny boriborintany enina, eto Antananarivo Renivohitra. Maimaimpoana ny hetsika, karakarain’ny sampandraharaha misahana ny haikanto sy ny kolontsaina ary ny vaky boky eo anivon’ny CUA. Nanomboka tamin’ity volana jolay ity ary haharitra hatramin’ny volana desambra ho avy izao ny hetsika, raha ny fanazavan’ny mpikarakara. Endrika iray famakiana boky amin’ny endrika fampihomehezana sy kanto hafa, toy ny “slam”, izany. “Tanjo­na ny hampiala voly sy hanitatra ny sain’ny an­kizy sy ny tanora ary hampivelatra ireo mpisehatra amin’ny fa­naovana zava-kanto”, hoy ny lehiben’ny sampandraharaha misahana ny haikanto, kolontsaina ary ny vaky boky eo anivon’ny kaominina Antanana­rivo Renivohitra. Tilina, mandritra izany, ireo tanora mianatra eny anivon’ny kolejy sy ny lisea ary andrasana ho tonga maro. Vita ny 12 jolay lasa teo, ny teo anivon’ny boriborintany voalohany. Hisitraka izany ny eny amin’ny boriborintany faharoa, ny 9 Aogositra ho avy izao.

Mino

Partager sur: