Lefakozatra : aretina mahafaty raha tsy voatsabo ara-dalàna

Antony iray ma­hatonga ny aretina lefakozatra ny fiparitahan’ny tay eny ankalamanjana. Voakasika indrindra amin’izany, ny eto amin’ny faritra Analamanga. Tsy misy fanafody ny aretina fa ny fa­naovam-baksiny ihany no vahaolana amin’izany ka hanentanana ny rehetra.

Entanina hanao vaksiny fanefitra sy miaro amin’ny lefakozatra (poliomyélite) ny olon-drehetra eo anelanelan’ny 0 hatramin’ny 100 taona, ao anatin’ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro ary Atsimo Andrefana. Raha toa ka 0 hatramin’ny dimy taona izany teo aloha. Latsaky ny 15 taona kosa izany any amin’ny faritra hafa manerana ny Nosy. Fantatra fa betsaka ireo olon-dehibe tsy vita vaksiny sy voan’ny aretina lefakozatra ka antony nisafidianana io salan-taona io, raha ny fanazavana. Hatramin’izay, ny zaza sy ny ankizy no natao vaksiny fa nentanina avokoa ny olon-drehetra tamin’ity taona ity noho ny fisian’ny tay miparitaka eny an-dalambe sy eny an’elakela-trano eny vokatry ny tsy fananana lavapiringa, raha ny fanazavana. Voakasiky ny aretina azo avy amin’izany avokoa ny rehetra. “Betsaka ny tay miparitaka eny rehetra eny, miteraka aretina maro samihafa eo amin’ny vatan’
olombelona anefa izany, toy ny cholera, aretin-kibo ary ny fahalemen’ny hozatra, izay zava-doza ary mety hiteraka fahafatesana raha tsy voatsabo”, hoy ny sekretera jenera­lin’ny faritra Analamanga, Ratsiharovala Mbola. Nilaza izy fa areti-mandoza ny poliomelita ary mifindra vokatry ny otrikaretina mahery vaika ao aminy. Nitombo ny trangana valanaretina poliomelita teto Madagasikara nanomboka ny volana septambra 2020. 287 ireo voamarina ho nitondra izany. Nihena ho 79 isa izany tamin’ity taona ity. Nalemy tsy tafahetsika tanteraka ny 45 tamin’izy ireo. Olon-dehibe ny roa tamin’ireo (24 taona sy 32 taona). Nahitana tsimokaretina ny 198 tamin’ireo rehefa nozahana tamin’ny laboratoara. Niparitaka nanerana ny distrika 30, manerana ny faritra 13, ireo tranga ireo. “Mety ho tratran’ny viriosy ny rehetra tsy vita vaksiny na lehibe na kely”, raha ny fanazavana hatrany.

Soritraretina
Manomboka amin’ny aretina maivana toy ny gripa, miombo ho fahalemena hatramin’ny fahafatesana mihitsy aza. Ny ankamaroan’ny olona voan’ny viriosy dia tsy misy soritraretina. Mety hiseho
amin’ny alalan’ny tazo, areti-tenda, marary an-doha, fa­naintainan’ny kibo, maloiloy, mandoa, reraka, tsy mazoto mihinan-kanina, fanaintainan’ny hozatra sy hatoka na lamosina. Miteraka fahasimbana sy fahaverezan’ny fiasan’ny sin­ga manetsika ny hozatra sy ny vatana iray manontolo na ny ampahany izany. Misy fiantraikany amin’ny atidoha sy ny hazondamosina izany. Mi­findra amin’ny alalan’ny fihinanana tay tsinahy misy tsimokaretina ny polio, izay mipetaka amin’ny sakafo, ka miditra any am-bava. Antony hanentanana ny rehetra mba hanasa tanana foana, alohan’ny hisakafo sy avy manao raharaha ary avy any an-dava-piringa. Tokony hisarona tsara ihany koa ny sakafo amidy eny an-dalana rehetra eny. Anisan’ny mitondra ny tsimokaretina amin’ny sakafo hohanina ihany koa ny lalitra. Marary na maty ny olona sendra nihinana tsinahy izany, raha ny fanazavana. Enta­nina, araka izany, ny tsirairay mba hanao lava-piringa hisorohana izany ihany koa. “Tsy misy fanafody ny aretina fa
ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny lefakozatra ihany no fanefitra hiadiana sy hamongorana izany”, hoy hatrany ny sekretera jeneralin’ny faritra Analamanga.

????????????????????????????????????

Safidy ny fanaovam-baksiny

Ilaina ny fanamafisana ny hery fiarovana ho an’ny olon-dehibe. Resy lahatra amin’ny fanaovana vaksiny izy ireo na dia efa nahavita izany aza tany aloha na tamin’ny fahazazana, raha nanaovana fanadihadiana. “Ho fiarovana ny vatana noho ny fiovan’ny toetr’andro, ny fahamaroan’ny karazana valanaretina misy, ny tsy fahampian’ny hery fiarovana no antony nandrisika ahy”, hoy Randria, raha nanontaniana. “Ho fiarovana sy fisorohana mialoha mba tsy ho voan’ny areti-mandoza ny fanaovam-baksiny”, hoy kosa ny vehivavy iray tsy nitonona anarana. Aleo misoroka toy izay mitsabo, ary hitazomana ny fahasalamana mandrakariva ihany koa. Nilaza izy fa efa nanao vaksiny taloha ary tsy mahasakana ny famerenana fanindroany izany. Nisy tamin’ireo tokantrano nanontaniana no tsy tapa-kevitra sy tsy resy lahatra hanao ny vaksiny noho ny tahotra sy ny fisalasalana. Sadaikatra ny ankamaroan’ny olon-dehibe satria ny ankizy ihany no nomena hatramin’izay.
Nanomboka ny alatsinainy teo ary hifarana anio 28 jolay ny hetsika fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny aretina lefakozatra. 1 474 198 no andrasana ho vita vaksiny ao anatin’ny efatr’andro eto Analamanga. “Ezahina ho vita avokoa ny 95% amin’izy ireo farafaharatsiny”, hoy ny lehiben’ny mpi­tsabo ao amin’ny CSB2 Ambohipo, Dr Ramanamihanta Faralalao. Mitety tokantrano tsirairay avy izy ireo mandritra izany. Tokony hanatona ny CSB2 akaiky azy avokoa ireo olona tsy nahatratra izany, mba hahavitan’ny ao an-tokantrano ny vaksiny. Mbola hitohy telo andro indray ny hetsika raha toa ka tsy tratra ny tanjona.

Nanatontosa : Mino
Sary : Mamiherison

Partager sur: