Nahomby ny tetikasa « Sahaza » : efa mihinana ny vokatry ny famboleny ny tantsaha

Nahomby ny vokatry ny tetikasa andrana amin’ny faritra telo : Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary Itasy amin’ny Sehatrasa hanatsarana ny antoka ara-tsakafo sy ny fanjarian-tsakafon’ny zaza amam-behivavy (Sahaza).

Nanomboka ny taona 2019 ary hifarana ny marsa 2024 ny sahanasa atao iarahan’ny fanjakana malagasy sy ny fanjakana japoney (JICA) manatanteraka. Tetikasa iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ary mpiray ombon’antoka ny Ofisim-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo (ONN) sy ny minisitera telo : Fahasala­mana, Fambolena ary ny Rano. Ao anatin’ny dingana fahatelo famaranana ny an­diany voalohany izao. Asa efatra lehibe no sahanina amin’ny fokontany 60 iasana : fidiovana sy fahazoana rano madio, famokarana, fanjarian-tsakafo ary ny fikarakarana ny reny sy ny zaza amin’ny ankapobeny, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny tetikasa, Andria­nirina Armand Dieudonné, omaly, teny Anosy. Manana anjara andraikitra lehibe ny minisiteran’ny Fambolena amin’ny paikady ho fanatsarana ny fanjarian-tsakafo. Am­pianarina mamboly ireo karazana voly mitondra otrikaina tena ilain’ny vatana ireo mpisitraka ny tetikasa. Anatin’ny fokontany iray, manodidina ny 30 ireo mpisitraka.
Araka ny valin’ny fanadihadiana amin’ny antsasa-dalana natao, teo anelanelan’ny taona 2021-2023, nitombo ho 60% ny isan’ny tokantrano nanaovana fanadihadiana mihinana ny vokatra (voamaina manankarena proteina) avy amin’ny fambolena izay vokarin’izy ireo, raha 39% izany ny taona 2021.
Nanohana ny lafiny teknika sy ara-bola ny tetikasa ny JICA. Amin’ny fanjarian-tsakafo sy ny fahasalamana ary ny fambolena miaraka amin’ny fifehezana ny fandrindrana ny asa rehetra natao, hoy ny solontenan’ny JICA eto amin­tsika, Tanaka Taori. Efa nahazo ny fankatoavan’ny fanjakana japoney ny JICA amin’ny fanohanana ny andiany faharoa amin’ny Sahaza.

Vonjy

Partager sur: