Trangam-piarahamonina nampihoro-koditra tato ho ato ny fanapahan-doha. “Sorona ho fikatsaham-pahefana sy vola no voalaza fa anton’izany”, hoy ny zandarimariam-pirenena.
Nidoboka am-ponja vonjimaika ny iray raha toa ka mbola hanaovana fanadihadiana lalina ny roa hafa, voasaringotra amin’ny fanapahan-doha ao Ihosy, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny polisim-pirenena ao an-toerana, omaly. Ny volana mey hatramin’ity volana jolay ity, efatra ny tranga fahatapahan-doha niseho tao amin’ny faritra Ihorombe. Manoloana ny fahitana fatin’olona niseho lany tao Tanambao Ranohira, Manombo, Somatasy hatrany Ihosy an-tapon-tanàna, nandray an-tanàna nanokatra fanadihadiana ny zandary sy ny polisy.
Ny teo anivon’ny zandary nakana vaovao milaza fa resaka « hery hafahafa » hakana fahefana sy harena no mahatonga izany. « Tsy voaporofo hatreto ny antony hanaovan’ireo olon-dratsy io vono olona mamoafady io », hoy kosa ny fanazavan’ny polisy ao Ihosy. Noho ny fisian’ny mpitrandraka vato, miahiahy ny mponina sasany fa mety sorona ireny olona hita faty ireny. “Amoron-drano sy manakaiky vato hatrany no nahitana ny vatana mangatsiakan’ireo olona tapa-doha ireo”, hoy ny polisy. Vao ny 12 jolay teo, tratra tao Agnataky, fokontany Fiadanana, kaominina Soamatasy, ny roa lahy ahiana ho isan’ny mpanapa-doha. “Lehilahy iray hafa nikapa famaky olona ny fahatelo”, hoy ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny polisy ao an-toerana. Voasaringotra tamin’ity raharaha ity koa ny ben’ny Tanàna ao Ilalakabe ka notanana am-ponja. Taorian’ny nisamborana ireo noahiahiana tao an-toerana, nilamina ny raharaha hatramin’izao. Etsy ankilany, manahy ho fanakorontanana politika ao an-toerana ny olona sasany.
Tsiferana R.