Nigadona tany Kinshasa RD Congo, omaly, ny delegasiona malagasy andiany voalohany, hiatrika ny lalaon’ny Frankofonia. 44 ny isan’ny delegasiona (basikety, tolona, atletisma, tenisy ambony latabatra), miampy atleta 2 avy ao Frantsa, ahitana an’i Fabio (ping) sy i Marion (basikety). Hanainga rahampitso sabotsy kosa ny taranja Judo sy ny kolontsaina.
Hotontosaina rahampitso 29 jolay haramin’ny 6 aogositra izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, latsaky ny 18 taona. Any amin’ny ligim-paritra Amoron’i Mania no hanaovana ny fifaninanana amin’ity taona 2023 ity. Ekipa 46 (27 lehilahy sy 19 vehivavy) no handray anjara, izay samy efa any an-toerana avokoa amin’izao fotoana izao.
Niverina nilalao any Suisse indray i Rinjala, Malagasy mpilalao baolina kitra, tsy tazana teny ambony kianja, izy, taorian’ny lalao nataony farany tetsy Mahamasina, niaraka tamin’ny Barea Chan. CS Chenois Diviziona 4, no ilalaovany ankehitriny ary efa misongadina sahady ny lehilahy. Marihina fa roa taona ny fifanarahan’i Rinjala sy ny CS Chenois.
Misy fifaninanana “Tournoi de Vacances”, sokajy vehivavy, any Diana. Hanomboka ny 31 jolay – 6 aogositra. Marihina fa izany dia karakarain’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ny vaomiera misahana ny baolina kitra, vehivavy, eto Madagasikara. Natao hitiliana ny sokajy “senior” ny fifaninanana.