TARATRY ny KANTO

Teatra malagasy. Holalaovin’ny tropy Anta­nanarivo Teatra, etsy amin’ny AFT Andavamam­ba, ny alahady izao, ny tantara an-tsehatra nampitondraina ny lohateny « Tanora fanantenana ». Tantara mampihetsi-po, nosoratan’i Dolores de Valih. Fifanka­tiavan’olon-droa irian’izy ireo ho mandrakizay, kanefa noho ny kajikajy ataon-drafozana, ho tonga any amin’io tanjona io ve izy roa ?

Tontolon’ny mozika mavesatra. Hiaraka hanatontosa seho iray eny amin’ny Cnut Ambohibao, i Nini tarika Kiaka sy i Jacquot tarika Green. « Shouw rock hard » hiarahana amin’i Poun, Deba, Erik Dave­son, Zôzô ary i Nix. Fotoana hanehoan’ireto mpanakanto ireto ny fahaizany mifehy ny sanganasan’ny The Police, Metallica, Loudness, Creedence Clearwater Revival, AC/DC, Iron Maiden.

Bagasy sy Folk. Hiaka-tsehatra eny amin’ny Piment Café, anio hariva, ny tarika Feogasy. Hanotro­na azy amin’izany ny tarika Kolibera, Ony sy Nini ary Benny. Hokaloin’ny Feogasy mandritra izany fampisehoana izany ny hira nalaza sy nahafantarana azy hatramin’izay. Ankoatra izay, hikalo ny hiran’ity tarika ity koa ireo mpanakanto miray sehatra aminy.

Njakatiana. Hotontosaina anio, manomboka amin’ny 8 ora alina, eny amin’ny Espace PK 0 Soara­no, ny fampisehoana iarahana amin’i Njakatiana. Seho miavaka no hasehony mandritra ity fampisehoana ity, indrindra nandritra izay fotoana tsy nahitana azy an-tsehatra izay. Hiran’i Njakatiana nitiavan’ny mpankafy azy hatramin’izay no handravahana ny fampisehoana amin’io fotoana io.

Partager sur: