Manohana ny fitakiana hanokafana indray ny orinasa Base Toliara ny mponina any Tsiafanoka. Efa hita ny tombontsoa nentiny, ary azo antoka fa hamaha ny olana maro izay miha ratsy, ankehitriny.
Mitondra fampandrosoana ho an’ny mponina any Tsiafanoka, distrika Toliara II, ny fisian’ny tetikasa Base Toliara. Nihemotra ary miha mahantra ny mponina amin’izao fihantonan’ny asany izao.
Tsapan’ny mponina any Tsiafanoka ny tombontsoa entin’ny orinasa Base Toliara. Nanamarika i Vatomalamakely, anisan’ny raiamandreny ao an-tanàna, fa « nanohana ny tetikasa foana izahay tompon-tany hatrany am-boalohany, ary mbola eo foana hatramin’izao. Hanatsara ny fidiram-bolanay ny asa hiforona. Hihena koa ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy fananan’asa » ;
Mirongatra ny fanimbana ala
Ho an’ireo mponina, mila tohanan’ny Base Toliara koa ny fampitsaharana ny fanimbana ny ala. Mirongatra ny fitrandrahana tsy ara-dalàna, hanaovana saribao, satria mahantra ny mponina. Efa nanana drafitrasa ara-tontolo iainana ny Base, nanofana ny mponina, namatsy fitaovana sy kojakoja enti-mamokatra. Nametraka tanin-janakazo hotantanin’ny mponina. Nilaza Rtoa Moany Fameny, filohan’ny vehivavy mamboly zanakazo any Tsiafanoka, fa nahatratra 5 000 ny zanakazo novokarina. Lasa 3 500 sisa izany, tsy ampy ny fikarakarana satria nihantona ny asan’ny Base Toliara.
Manamafy ny antso, hisokafan’ity orinasa ity, koa ny filohan’ny tanora any Tsiafanoka, Zafimanantsoa, izay tsy an’asa ankehitriny. Nanome toky ny filohan’ny « Dinabe kaominaly », Tsianara, fa eo akaikin’ny Base Toliara foana izy ireo, miantoka ny fiarovana azy hatramin’ny farany.
Njaka A.