UCTU: hojerena aorian’ny fifidianana ny mahakasika ny saran-dalana

Nihaona tamin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, (CUA), Andrian­tsitohaina Naina, omaly ireo mpikambana ao amin’ny Fiombonan’ny kaoperativa mpitatitra an-tanàn-dehibe (UCTU). Nilaza ny fitantanana ny CUA, fa tsy mbola fotoana tokony hampiakarana ny saran-dalana izao. Koa, nangataka ny ben’ny Tanàna mba ho aorian’ny fifidianana ho filoham-pirenena sy ny fanaovany fianianana amin’ny 2024 vao hifampidinika ny hanitsiana ny saran-dalana.
Nambaran’ny filohan’ny UCTU, Randrianatoandro Lova, fa ilaina foana ny fifampidinihana rehefa misy tranga toy izao.
Mahatsapa ny fitantanana ny CUA fa mavesatra ny ma­sonkaren’ny mpitatitra. Hoje­rena miaraka ny hampihenan’ny sampandraharaha fitsirihana ara-teknika ny fiara. Mari­hina fa tafakatra 172% ny fisondrotan’ny fitsirihana tokony hihatra amin’ny volana ao­gositra. Mikasika ny lalana, efa maro no nataon’ny CUA ary mbola mitohy.
Nanatrika ity fihaonana ity koa ny talen’ny fitaterana an-tanàn-dehibe (DTMU) ao amin’ny CUA, ny tale jeneralin’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT), ny solontenan’ny minisiteran’ny Fitaterana.

Njaka A.

Partager sur: