Velirano mitaky andraikitra

 

Anisan’ny trangam-piarahamonina mampiteny ny tsy mahay miteny ny resaka tsy fandriampahalemana, ankehitriny. Miseholany ny endrika fandikan-dalàna etsy sy eroa. Mahazo vahana ny asa ratsy manomboka amin’ny hala-boty, hatramin’ny vono olona, ny fisolokiana avo lenta. Tsy hita izay ambara fa samy miraviravy tanana daholo ny olon-drehetra. Tsy mahagaga, firifiry ny mpitandro filaminana sady voaroba no maty votifitra.
Inona no iresahana izany anio? Tafahoatra ny fahoriana mianjady amin’ny vahoaka malagasy. Tsy vitan’ny noana fa mandry andriran’antsy lava izao. Mivoaka ny trano mitaintaina, mody an-trano mitebiteby. Zary samy manavotra ny ainy sy miaro ny fananany sisa… Tsy ampy ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany na efa misy aza ny ezaka mandeha.
Velirano voalohan’ny fitondram-panjakana ny filaminana sy fandriampahalemana. Asa, manao ahoana ny tombana tao anatin’ny dimy taona? Maromaro ny fanomezan-toky sy lokaloka nifanaovana teo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka. Tsy takona afenina ny ezaka, indrindra ny fampitaovana sy ny fotodrafitrasa manara-penitra etsy sy eroa. Indrisy, tsy ampy handrefesana ny zava-bita izany, raha mbola miaina anaty tahotra sy horohoro ny vahoaka. Ny zava-misy rahateo miampanga hatrany izay tsy fahampian’ny ezaka sy vokatra azo tsapain-tanana izay.
Tsy ho ampy hanaovana ny asa rehetra kosa ny dimy taona! Mbola betsaka ny ezaka takina amin’ny mpiantsehatra rehetra momba ny filaminana. Efa manomanomana ny ho fanohizana ny fitondrana rahateo ny hery velona rehetra nahazo « seza ». Anatin’ny vanim-potoan’ny fifidianana rahateo i Madagasikara. Mila mailo amin’ny korontana iniana ataon’ny sasany ny olom-pirenena tsirairay. Mitaky andraikitra sy adidy misimisy kokoa amin’ny mpitondra sy ny mpitandro filaminana izany.

r.r

Partager sur: