Voasambotry ny polisy, afakomaly, ireo telo lahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana tranombarotra tetsy Ankadindratombo. Mpiambina iray tao amin’ilay tsenambarotra ihany no tompon’antoka tamin’ny asa ratsy. Ny alarobia teo, nanafika tao amina tsena iray tao an-toerana izy telo lahy. Tsy nisy nisaron-tava, nitondra fitaovam-piadiana ary nitaky ny vola tamin’ny mpiasa. Teo an-toerana ny ramatoa iray tomponandraikitr’io tranombarotra io. Niantso vonjy izy rehefa nahita ireo olon-dratsy nanambana basy. Tsy lavitra teo, nahare ny hiakiaka ilay mpitondra taxi, nikasa hijery ny zava-nisy. Tetsy ankilany, nandroba vola nitentina 500 000 Ar ireto olon-dratsy. Poa toy izay, nirifatra nandositra izy ireo. Nifanehatra tampoka tamin’ilay mpitondra taxi, notifirin’ireo telo lahy avy hatrany io raim-pianakaviana io. Voa teo amin’ny lohany ka maty.
Tonga nijery ny zava-nisy ny mpitandro filaminana, nanokatra ny fanadihadiana. Aorian’ny famotorana ireo telo lahy, atolotra ny fampanoavana avy hatrany.
Tsiferana R.