Afaka 28 andro sisa, hanomboka ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay hotanterahina eto amintsika, ny 25 aogositra ka hatramin’ny 3 septambra ho avy izao. Anisan’ireo taranja hifaninanantsika, amin’izany, ny hazakazaka am-bisikileta «Cyclisme». Miisa 12 ireo natsoina voalohany na «présélectionné» ho an’ny sokajy lehilahy. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny «Cyclisme» (FMC), Relahy Jean Claude, notsongaina tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara farany teo izy ireo. Raha tsy misy ny fiovana, miisa 8 ny vehivavy atleta solontenan’i Madagasikara amin’ny taranja «Cyclisme» amin’ity JIOI andiany faha-11 ity, saingy tsy mbola nivoaka ny lisitr’izy ireo.
Fitia
Ireo lehilahy 12
1- Rakotondrasoa Jean de Dieu
2- Randriamaharitra Sandaniaina
3- Houlder Dino Mohamed
4- Randrianasolo Justin Marolahy
5- Tahianjanahary Njakatiana
6- Rafidarison Ny Avontsoa
7- Hery Zo Anthonio
8- Raheritovo Andriniaina Johnny
9- Rakotonirina Mbolatiana Herman
10- Razafindrakoto Belmondo
11- Herimanjato Manovosoa Mihavotriniaina
12- Joseph Fara