Mampivarahontsana raha vao resaka homamiadana. Anisan’ny lasibatra ny vehivavy amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Mila manao fitiliana mialoha.
Anisan’ny aretina faharoa mpitranga ao amin’ny sampam-pitsaboana momba ny homamiadana eo amin’ny CHUJRA ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, raha ny resaka nataon’ny dokotera manam-pahaizana, Razakanaivo Malala.
Fiovan’ireo sela miainga ao amin’ny vozon’ny tranon-jaza ka mikorontana sy mitombo ary miparitaka no mahatonga ny aretina izay mitarika amin’ny fahafatesana raha tsy voatsabo.
Avy amin’ny viriosy huma papillomavirus (HPV) no mahatonga ity homamiadana ity. Mety mahazo ny vehivavy efa nanao firaisana ka misy an’io HPV io maharitra ny homamiadana.
Mandra-pivoakan’ny tranga fisehoany ety ivelany dia efa nijanona ela tao amin’ilay marary izay ilay viriosy. An-taonany vao mety hiseho ny fambara.
Mety mandeha ra aorian’ny fadimbolana, mety hanaintaina ny kibo ary misy tsiranoka mamofona. Rehefa ela ny ela dia mety harary ny lamosina ary tsy mahatafavoaka maloto ara-dalàna. Efa tonga amin’ny tranga fahasarotana amin’izay fotoana izay.
Raha voatily mialoha anefa dia ny fandidiana no vahaolana tsara indrindra, hoy ny Dr Razakanaivo Malala. Tsy maintsy manao radiotherapie sy chimiotherapie kosa ilay vehivavy tratran’io aretina io raha efa mitarazoka sy efa ela ny aretina.
Raha voatily mialoha anefa ny aretina dia azo tsaboina. Afaka ataon’ny vehivavy rehetra efa nanao firaisana ara-nofo ny fitiliana ary hita eny amin’ny CSB sy ny laboratoara ny fanaovana izany fitiliana izany. Isaky ny roa taona no manao fitiliana raha tsy misy mampanahy.
Tsy ny vehivavy lehibe ihany fa na ireo tanora aza dia mila manao fitiliana hahafahana mamantatra ny toe-tena mba tsy hahatara ny fitsaboana.
Tatiana A