Fako plastika eto Madagasikara: manambana ny fahasalamana sy ny tontolo iainana ny tsy fisian’ny politika fitantanana

Afaka 100 taona no ho mihoatra ny faharavan’ny akora plastika iray nefa 40% amin’ny vokatra plastika ampiasaina indray mandeha dia ariana. Mila manova ny fomba fiaina sy fanjifana ny olona hampihenana ny fako plastika mitondra voka-dratsy samihafa.

Mamokatra fako 300 g ka hatramin’ny 400 g isan’andro ny olona iray. Eto Madagasikara, 1 916 250 t isan-taona ny fako tsy voaavaka sy tsy haodina hanome vokatra hokirakiraina indray. 68 985t amin’ireo fako, plastika avokoa, araka ny fanazavan’ny talen’ny fitantanana ny fahalotoan’ny fako, ao amin’ ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, Salama Jean Claude, omaly, teny Ambatobe. Mitondra ambana goavana ho an’ny fahasalamana, tontolo iainana sy ny antoka ara-tsakafo ny fiparitahan’ny fako plastika eto amintsika sy maneran-tany mihitsy satria mamokatra entana samihafa miteraka fako plastika ny orinasa nefa tsy manana politika matotra hanavahana sy hanodinana azy ireny. Sarotra ny hanafoana ny famokarana plastika ilaina amin’ny sehatra isan-karazany fa tokony hojerena ny fampihenana ny vokatra sy ny fitadiavana akora hafa azo hasolo azy sy ny fanavahana ny fako.
Ho an’ny fahasalamana, misy fiantraikany ny fivangongoan’ny fako sy ny akora plastika, toerana tian’ny lalitra sy ny voalavo izay tonga any an-tokantrano mitondra otrikaretina. Miteraka entona manimba ny fahasalamana koa ny singa simika hanamboarana ny vokatra plastika sasany, hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana, Ramambason Haingotiana. Anisan’ny mampiakatra ny isan’ny olona manana olana amin’ny fahasalaman’ny fo sy ny lalandra ary ny taovam-pisefoana ny tranga ka mety indrindra ny fampiasana arovava orona hatrany ho an’ireo tena marefo. Ho an’ny antoka ara-tsakafo, mampihena ny vokatra ny fahasimban’ny nofontany (mitsiaka any anatin’ny tany ny plastika) ary mandringana ny zava-mananaina voajanahary ety an-tanety sy any an-dranomasina ny fako plastika.

Misy orinasa sy ONG manodina ny fako plastika

Misy ny orinasa toy ny STAR nametraka tetikasa kopakelatra hanangonana ny fako plastika haodina ho zavatra azo ampiasaina indray aty aoriana. Tanora mivondrona ao amin’ny ONG Move Up kosa no manentana eny anivon’ny sekoly sy ny fikambanana momba ny fomba fiaina manaja ny tontolo iainana. Mampianatra fanodinana ny fako plastika ho lasa fanaka sy arina fandrehitra koa izy ireo, araka ny nohazavain’ny mpitantana ny ONG, Rasolomahery Fanomezana.

Vonjy A.

Partager sur: