FANTINA sy FINTINA

Misy tsy fahatomombanana ny lisi-pifidianana, raha ny nambaran’ny filohan’ny Ampela manao politika (AMP), Rasamoelina Brigitte. 15 tapitrisa no tokony ho isan’ny mpifidy, nefa 11 tapitrisa ihany no voasoratra. Manana adidy ny Ceni, na marina aza ny hoe misy ny olona tsy te hisoratra. Fotoana izao hananganana governemanta vaovao hikarakara fifidianana hatrany ifotony?
Anarana fotsiny no entin’ny delegem-panjakana tamin’ny fitsarana mitety vohitra tany amin’ny faritra nanaovana kara-panondro fa tsy hita ny olona, araka ny filazan’ny filohan’ny antoko Tsara tahafina ary efa nilaza fa ho kandidà filohan’ny Repoblika, i Paraina Auguste.
Nanome toky ny tsy hisehoan’ny kolikoly ny tale jeneralin’ny Sekolim-pirenena mpampiofana ho mpandraharahan’ny fonja (Enap), Randrianandrasana Desiré. “Tsy ahiana amin’ny kolikoly na hosoka ny valim-panadinana hidirana ho mpianatra eo anivon’ity sekoly ity. Mangarahara ny fifaninana ary hivoaka tsy ho ela izany”, hoy izy, omaly.
Nitohy ny fandraisan’ny ambasadaoron’i Etazonia eto amintsika, i Claire Pierangelo, ireo mpanao politika. Anisan’ny noraisiny tamin’ity herinandro ity ny birao politikan’ny MMM. Nitarika izany ny filojha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo. Voaresaka ny fikarakarana sy ny fanomanana ny fifidianana. Efa nandray ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina izy nialoha izany.

Partager sur: